Alatsinainy 08 desambra 2025
Sal 130, 1 – 8
Ny Salamo 130 dia fihirana fiakarana. Izany hoe, fihirana natao rehefa niakatra ho any Jerosalema ny Jiosy hanao fivahinianana masina. Araka ny didin’i Jehovah dia in-3 farafahakeliny no tsy maintsy miakatra mankany Jerosalema ny Jiosy (Deo 16, 16). Araka izany, ity Sal 130 ity dia maneho ny fanantenan’ireo Jiosy ny famonjen’Andriamanitra. Asehon’ny mpanao salamo ao anatin’izany fa izay te ahazo famonjena dia:
Tsy maintsy mibebaka. And 1-4
« Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.». and 2
Maro ireo zavatra ataon’ireo Jiosy rehefa miakatra mankany Jerosalema manao fivahinianana masina izy ireo. Fa isan’izany ny fanaterana fanatitra, fa indrindra fanatitra noho ny ota mba ho vita fihavanana @ Andriamanitra izy ireo. Izany hoe, manao fanatitra izy ireo ho endriky ny fifonana sy ny fibebahana @ Andriamanitra, handraisana ny famindrampon’Andriamanitra. Asongadina @ alalan’izao soratra masina izao ary izany fibebahana ataon’ny vahoakan’Andriamanitra izany satria te hisitraka ny famonjena izy ireo.
Ry havana, samy manana ny tanjony tokoa ny olona rehefa manatona an’Andriamanitra, rehefa mivavaka na mankany am-piangonana. Ao ny mangataka satria misy zavatra manahirana azy, ao ny mitady ahita fahagagana, ao ireo mankafy ihany ny fihaonana @ samy isika; …. Anio kosa ny tenin’Andriamanitra dia mampianatra antsika, fa ny tokony ataontsika ho zava-dehibe, ny tokony ho katsahintsika rehefa manatona an’Andriamanitra isika dia ny fibebahana satria miantoka ny famonjena antsika izany. Mazava ny ambaran’ny soratra masina izay tononintsika sy ambarantsika isan’Alahady manao hoe: Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Sambatra dia midika fa voavonjy.
Ry havana, zava-dehibe ny fibebehana @ Andriamanitra ka andrasana amiko sy aminao ny hanao izany hanantenantsika sy handraisantsika ny famonjen’Andriamanitra. Tsarovy fa i Jesoa Kristy dia efa nanolotra ny tenany ho famonjena antsika mba hisitrahan’ny mpanota izay mibebaka ny famindrampon’Andriamanitra. Koa aza atao tsinontsinona fa tombontsoa manokana nomena antsika izany hisitrahantsika ny famonjena.
Tsy maintsy mino an’Andriamanitra sy ny teniny, And 5-8
« Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako». And 5
Tsy hoe ny fanaterana fanatitra ihany anefa no zava-dehibe t@ ireo Jiosy raha mankao @ Tempoly izy ireo fa eo ihany koa ny faniriana hihaino ny Tenin’Andriamanitra, izay ao @ Tempoly (synagoga) ihany no misy ireo horonam-boky mirakitra izany. Ny hoe miandry sy ny hoe manantena eto dia mitovy hevitra ihany. Izany hoe ny fiandrasana an’i Jehovah dia midika ho fanantenana ny teniny ihany. Araka izany raha milaza ny mpanao Salamo hoe « Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako » dia manambara ny finoan’ny vahoaka an’i Jehovah sy ny teniny izay hany miantoka ny famonjena.
Ry havana, samy manana ny zavatra antenainy ny olona rehefa manatona ny Tompo na mankany am-piangonana. Ao ny manantena fanasitranana, fitahiana, fahombiazana, … Tsy hoe tsy nampanantena an’ireny akory ny Tompo fa ny tena andrasan’ny Tompo @izay manatona Azy dia ny finoana Azy Andriamanitra sy ny finoana ny teniny fa izany no antoka ahazoana famonjena. Mazava be ry havana ny teny nambaran’I Jesoa ombieny ombieny t@ ireo olona izay nanatona Azy hoe: NY FINOANA NO NAHAVONJY ANAO. Ary mbola manamafy izany ny Heb 11, 6 hoe: Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Mazava araka izany, fa ny finoana no mahavonjy fa tsy zavatra hafa. Koa rehefa manatona an’Andriamanitra dia izay ahazoana sy hitomboana @ finoana no katsaho fa aza zavatra hafa. Inona no loharanon’ny finoana sy hitomboana @ finoana? Valiny: Ny tenin’Atra no loharano sy fototry ny finoana; koa ankamamio. Ankoatr’izay, ny fanompoana no hitomboana @ finoana; koa manolora tena.
Ho an’Atra irery ihany ny voninahitra. Amen
