top of page

Ny Mpitandrina
Andriamihaja Rina Andriatsitohaina mianakavy

1C3A2479_edited.jpg

Hafatry ny Mpitandrina

Ry havana,

 

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy I Jesoa Kristy Tompo.

 

Miarahaba anareo tonga soa eto @ rantin’ny Fitandremana FJKM Canada Montréal. 

​

Ny FJKM Canada Montreal dia Fitandremana iray ao anatin’ny sahan’ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara any an-toerana sy aty dilambato. Niorina tamin'ny Mey 2014 ny Fitandremana, izany hoe, efa 10 taona izay no nitoriany ny filazantsaran’I Jeosa Kristy sy nijoroany ho vavolombelona teto Canada Montreal.

 

​Ny vina dia ho fitandremana vavolombelon'I Jesoa Kristy, ka haneho fa velona hoan’I Kristy, miasa hoan’I Kristy ary mizara an’I Kristy hoan’ny olona rehetra.

​

Koa manasa anareo izahay hifandray sy hiserasera aminay fa indrindra iombona aminay

ahatanteraka ny teny hoe: "Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra. » Isaia 43, 12b.

​

Ny fiadanan’ny Tompo Jesoa anie, ho aminareo.

Mirary soa

ANDRIAMIHAJA Rina Andriatsitohaina, Mpitandrina

Eglise unie Saint-Jean
110 Rue Sainte-Catherine-Est
Montreal, Quebec
H2X 1K7

 Mpitandrina Rina Andriamihaja:  438-439-7594

 Mpitantsoratra: (514) 889-0748

©2023 by FJKM Canada Montréal

bottom of page