top of page

Alarobia 07 oktobra 2026

Heb 10, 19 - 25

Maneho @tsika izay tokony atao mba tsy hihemorana @ finoana. Inona ary no tokony atao mba tsy hihemorana @ finoana?

Mivavaka marina, and 22

Ny teny hoe: manatona @ fo marina sy @ fahatokiana be @ finoana no maneho izany. Ireo teny ireo dia maneho ny toe-po tokony ananana rehefa mivavaka. 1) manatona an’Andriamanitra @ tsy fihatsarambelatsihy. 2) mino fa misy Andriamanitra ary manankery hamaly vavaka. Izany hoe, ny vavaka izany no asongadin’ny soratra masina eto. Asongadina fa Izay mivavaka marina dia tsy mihemotra @ finoana.
Ry havana, izay mivavaka marina dia tsy mihemotra @ finoana. Tsy mihemotra satria tsy fomba, tsy fahazoan-javatra, tsy noho ny @ olona no hanatonany an’Andriamanitra fa tena noho ny @ Andriamanitra: dia ny fitiavany, ny fahasoavany, ny famindrampony, ny asany, ny teniny.
Mitaona sy mamporisika antsika izao soratra masina izao, ny hivavaka marina mba tsy hihemorantsika @ finoana satria raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.

Mifikitra @ tenin’Andriamanitra, and 23

Ny hoe: fanekena eto no maneho iznay izay mifono ny teny fikasana na teny fampanantenana nomen’Andriamanitra. Ny teny fikasana na ny teny fampanantenana dia tsy inona akory fa tenin’Andriamanitra. Asongadina eto ary fa izay mifikitra @ tenin’Andriamanitra dia tsy hihemotra @ finoana.
Ry havana, ny soratra masina manontolo dia maneho fa izay nifikitra t@ tenin’Andriamanitra, t@ teny fampanantenany sy ny teny fanomezan-toky nomeny dia tsy nihemotra. Isan’izany I Abrahama na dia teo aza ny fizahan-toetra mahamay. Toy izany koa Elia mpaminany na dia teo aza ny fanenjehana nataon’ny mpanjaka Ahaba sy ny vadiny. Ireo Apostoly na dia nofonjaina sy nampijaliana aza dia nijoro vavolombelona hatrany am-paran’ny tany satria nahazo toky hoe: momba azy ireo ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao I Jesoa…
Amporisihina isika hifikitra @ tenin’Andriamanitra, manoloana ireo toe-javatra sy toetr’olona mitaona hihemotra. Mifikira @ teny fampanantenana nomen’Andriamanitra fa tsy hiverina Aminy foana ny teniny raha tsy efa nahatanteraka izay sitrany sy ambinina amin'izay ampandehanany azy.

Manompo (miasa), and 24

Ny teny hoe hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara no maneho izany. Ny tiana asongadina eto dia izoa manao hoe: fanompoan’ny mino ny mifankatia sy ny manao asa tsara. Ary ampiharihariana eto fa izay mifankatia sy manao asa tsara dia tsy hihemotra.
Ry havana, mazava be ny hafatra ho antsika @ alalan’izao soratra masina izao. Rehefa tsy mahay mifankatia ny mino, rehefa tsy miasa ny mino dia mitombo be ny fihemorana. Taomina isika handini-tena raha toa ka mitombo ny fihemorana eo @ fiangonana. Iainana ve ny fifankatiavana sa ny fihatsarambelatsihy. Tena fanompoana an’Andriamanitra ve no atao sa fitadiavana fitia @ olona sy fikatsahana ny voninahitry ny tena?
Ry havana, ampaherezina isika, fa fiadiana @ fihemorana ny fifankatiavana sy ny fanolorantena ho@ asa fanompoana. Koa ankatoavy ny didin’Andriamanitra hoe: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo ary koa tanteraho ny fanompoanao.

Mankamamy ny fiangonana, and 25

Ny teny hoe: aza mahafoy ny fiarahantsika miangona no maneho izany. Mazava ny ambara eto hoe: fiarahana miangona fa tsy fiarahana mivory na fiarahana mivavaka. Izany hoe, ny maha fiangonana no tena asongadina eto, ny fiainana ny fiombonana @ maha fiangonana. Aharihary @ alalan’izany ary fa izay miaina sy mankamamy ny fiangonana dia voaaro @ fihemorana.
Ry havana, izay mankamamy ny fiangonana dia voaaro @ fihemorana. Voaaro satria ny fiangonana no nomena ny tenin’Andriamanitra ho andraikitra. Izany hoe, ao @ fiangonana no anazavana sy ampianarina ny tenin’Andriamanitra izay fototra sy loharanon’ny finoana. Ny tokony ho fantatsika dia izao, ny fiangonana dia manana ny foto-pinoany sy ny foto-pampianarany voasedra ary azo tarafina @ ireny na marina na diso ny fampianaram-pinoana omeny. Raha olona tsotra izay tsy ao @ fiangonana kosa dia izay maharesy lahatra no ampianariny, izany hoe: foto-pampianarana izay tsy voasedra no omeny ka mety tsy hampiorina finoana fa hampahalemy aza.
Mila mitandrina isika araka izany; fantaro fa tsy ampy ny mivavaka sy mamaky soratra masina any an-trano fotsiny. Ilaina ny mankany am-piangonana hanorenana finoana sy iainana ny finoana @ alalan’ny fanompoana mba tsy hihemorana @ finoana.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!!! Amen!!!

​

Eglise Saint-Jean
110 Rue Sainte-Catherine-Est
Montreal, Quebec
H2X 1K7

 Mpitandrina Rina Andriamihaja:  438-439-7594

 Mpitantsoratra: (514) 889-0748

©2023 by FJKM Canada Montréal

bottom of page