Zoma 05 Jona 2026
Mar 1, 21 - 28
Mitantara ny asa nataon’I Jesoa tao Kapernaomy; izay nahagaga ny olona satria niavaka t@ fampianarana izay efa heno. Ambara eto hoe: fampianarana vaovao misy fahefana.
Inona ary izany fampianarana misy fahefana izany?
Ny fampianarana misy fahefana dia:
Fampianarana manova fiainana, and 21 - 28
Asongadin’ireo soratra masina ireo fa raha tao @ Synagoga I Jesoa nampianatra dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto tao. Ny olona azon’ny fanahy maloto dia olona voageja, voafatotra, marary araka ny voalaza eo @ and 26 hoe: Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary. Vokatry ny fanatrehan’ity lehilahy ity ny fampianaran’I Jesoa no nanova ny fiainany satria niala tao aminy io fanahy maloto io rehefa navoakan’I Jesoa.
Ry havana, inona moa no endriky ny fampianaran’I Jesoa izay renesintsika ankehitriny? Valiny: dia ny toriteny sy ireo fampianarana izay miainga sy mifototra @ soratra masina. Ny tiana ambara @ izany dia izao: manova ny fiainantsika ny fampianarana avy @ toriteny sy ny fampianarana mifototra @ soratra masina. Izany hoe, ny fihainoantsika toriteny sy fampianarana mifototra @ soratra masina dia manova ny fiainantsika satria manala @ ratsy sy manala ny ratsy. Jereo ny tantara eto fa raha tsy nanatrika ny fampianaran’I Jesoa tao @ Synagoga ity lehilahy ity tsy fantatra hoe: marary sy azon’ny fahany ratsy. Toy izany koa ankehitriny, ireny toriteny sy fampianarana mifototra @ soratra masina ireny dia mikendry ny hanala antsika @ ratsy (fahotana, lolompo, fialonana, tsy fitiavana, tahotra sy tebiteby, …). Izany hoe, mikendry ny hanova ny fiainantsika izay feno aretina ho@ fiainana tsara sy lavorary ireny.
Noho izany, aza atao tsinontsinona ireny, na izay renesintsika isanandro @ alalan’ny maraim-baovao na izay raisintsika isan’alahady sy izay raisintsika @ alalan’ny fitaizana ireo sampana maro samihafa. Raha mandray sy mitandrina ireny isika dia ho hitantsika ny fiovana entiny eo @ fiainantsika satria velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.
Fampianarana aseho @ alalan’ny asa fa tsy @ teny fotsiny, and 21 - 28
Maneho @tsika izao tantara izao fa hafa noho ny fampianarana izay efa ren’ireto vahoaka ireto ny fampianaran’I Jesoa. Ny antony dia satria tsy fampianarana am-bava na teoria tahaka ny fanaon’ireo mpampianatra sasansasany (mpanora-dalana sy Fariseo) no nataon’I Jesoa fa fampianarana aseho @ alalan’ny asa. Ary fantatsika loatra ny asa nasehon’I Jesoa eto dia ny nanasitranany ilay lehilahy azon’ny fanahy ratsy.
Ry havana, ny fampianarana misy fahefana dia ny fampianarana aseho @ alalan’ny asa. Ary tiana hisarihana ny saintsika izao soratra masina izao satria tsy manoro antsika momba ny lafiny ara-panahy ihany fa momba ny lafi-piainana manontolo mihitsy. Ny hafatra ho antsika dia izao: misy fahefana ny fampianarantsika rehefa asehontsika @ alalan’ny asa.
Isika izay mitaiza ny zanatsika ka mampianatra azy ireo zavatra maro momba ny fiainana; asehoy @ alalan’ny asa izany, izany hoe; ny tenantsika aloha no ataovy modely. Manomboka @ fomba fiainana, fahalalam-pomba, fomba fiteny, fanatanterahana ny adidy samihafa, fananana toe-panahy araka an’Andriamanitra (vavaka, famakiana sy fihainoana tenin’Andriamanitra ary fanompoana an’Andriamanitra). Ny tenantsika aloha atao modely voalohany ary asehoy @ alalan’ny asa ataontsika izany fa tsy @ teny ihany mba tsy ho mpitari-bato vilam-baza isika.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!!! Amen!!!
