top of page

Alakamisy 04 Jona 2026

Rom 11, 33 - 36

Ny bokin’ny Romana dia anaovan’i Paoly famelabelarana samihafa ho fampiorenany ny finoan’ny Fiangonana. Eto @ ity Rom 11 ity dia famelabelarana mahakasika ny fomba nanatanterahan’Andriamanitra ny famonjena no ataony. Mampitolagaga an’i Paoly ny @ fahendren’Andriamanitra, ny fahalalan’Andriamanitra, ny fomba fiasan’Andriamanitra t@ fanatanterahany ny famonjena ny olona rehetra. ary izany no hamintinany izany fampianarany izany eo @ and 36 hoe : Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. Inona no tian’i Paoly ambara @ izany ?

Izy no Loharanon’ny famonjena

« Izy no nihavian’izao zavatra ary rehetra izao »
Raha miresaka hoe izao zavatra ary rehetra izao i Paoly ry havana dia tsy ny fahariana akory no tiany ambara fa mamintina izay voalazany manomboka eo @ and 1ss izy, izay hitantarany ny famonjena ny olona rehetra na Jiosy io na ny Jentilisa ; izany hoe ny olombelona no tena asongadiny @ alalan’ny hoe izao zavatra ary rehetra izao. Asongadin’i Paoly ao anatin’izany fa Andriamanitra no tompo-marika @ famonjena, Izy no tompo-kevitra t@ famonjena ka nifidy ny Jiosy aloha avy eo noho izay ambaran’i Paoly hoe : tsy finoany sy fahatafintohinany dia namonjy ny Jentilisa ihany koa. Araka izany, na ny famonjena ny Jentilisa na ny famonjena ny Jiosy dia Andriamanitra no loharanon’izany.
Ry havana, Ampahatsiahivin’izao soratra masina izao @tsika fa Andriamanitra no tompo-marika ny @ famonjena, Izy no loharanon’ny famonjena antsika. Tsy noho ny fahatsarantsika, na noho ny asa vitantsika, tsy ny fahamendrehantsika fa noho ny fahasoavany no namonjeny antsika (fa fahasoavana no namonjena anareo hoy i Paoly ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; Efe 2, 8.
Izany fahasoavana izany dia asehony @ alalan’ny fiantsoana sy ny fifidianana, izay varavarana hidiran’Andriamanitra an-tsehatra eo @ fiainan’ny olona ho famonjena azy. Araka izany, hevero ny fiantsoana sy ny fifidianana antsika ; aza tsinontsiniavina fa fomba hampidiran’Andriamanitra antsika ao @ planin’ny famonjeny izany.

Izy no Antoky ny famonjena

Izy no mihazona azy
Ny hoe mihazona dia azo adika hoe mandray an-tanana ; ary izany fandraisana an-tanana izany dia midika ho fiantohana. Izany hoe, Andriamanitra no miantoka ny famonjena ny olony sady antok’izany famonjena izany. Ny tiany ambara dia izao manao hoe, rehefa mamonjy Andriamanitra dia tsy votsotra intsony izany famonjena nomeny sy natolony izany. Ary izany no ahariharin’i Paoly @ filazany eo @ and 1/2 hoe : sao dia efa nanary ny olony Andriamanitra ? Izy ihany no mamaly hoe : Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo. Ary izany no maneho fa Andriamanitra no antoky ny famonjena.
Ry havana, mampahery antsika ary mamelona ny fanantenantsika izao soratra masina izao ; satria Andriamanitra no miantoka ny famonjena izay efa nomeny antsika. Ary porofon’izany ireo teny izay voarakitra ao @ soratra masina manao hoe : Mpanompoko ianao efa nofidiko ka tsy mba nariako. Ary koa ny hoe : tsy handao anao na ahafoy anao Aho. Ary ny hoe : indro Aho momba anareo mandrakariva ambara pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Fa tsy t@ teny ihany no nanehoany izany fa t@ alalan’ny asa t@ nanirahany ny zanany dia i Jesoa hamonjy sy hanavotra antsika. Izany asam-pamonjena nataony izany no miantoka ny famonjena antsika.
Mitaona antsika hatoky an’Andriamanitra izany teny izany, ary mamporisika antsika hifikitra Aminy, hiankina sy hiantehitra Aminy satria Izy irery ihany ; Izy irery ihany no antoka sady afaka miantoka izany famonjena izay nomeny antsika izany. Koa andeha ry havana, hialoka eo Aminy, andeha apetraka eo am-pelatanany ny fiainantsika satria hoy Izy hoe : tsy misy maharombaka izay eo an-tanako.

An’Andriamanitra izay voavonjy

Izy no antony
Ny teny hoe Izy no antony dia azo adika hoe ao Aminy. Izany hoe, izay rehetra voavonjy dia ao @ Andriamanitra, mitoetra ao @ Andriamanitra ary miaina ny fiainan’Andriamanitra. Izany no tian’i Paoly ambara raha milaza izy hoe Izy no antony.
Ry havana, rehefa nandray ny famonjena isika dia ao @ Andriamanitra ary miaina ny fiainan’Andriamanitra. Manao ahoana moa ny fiainan’Andriamanitra ? ireto farafahakeliny ny fiainan’Andriamanitra. 1) Mitia : Andriamanitra dia fitiavana, araka izany ny fiainan’Andriamanitra dia mitia. 2) miasa : ny soratra masina manontolo dia ahatarafana fa Andriamanitra dia miasa, hatr@ fahariana izao rehetra izao mandrak’ankehitriny dia mbola miasa Andriamanitra, izany no ilazana fa fiainan’Andriamanitra ny miasa. Jesoa mihitsy no nilaza hoe : Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. » Jaona 5:17. Araka izany, satria ao @ Andriamanitra sady miaina ny fiainan’Andriamanitra isika dia ireo no tokony ho hita taratra eo @ fiainantsika farafahakeliny. Fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny namana araka ny didiny ary koa asan’Andriamanitra, dia asa tsara izay mikendry famonjena.
Koa amporisihina isika ry havana, isika izay efa nandray ny famonjena haneho ireo eo @ fiainantsika isanandro isanandro mba ho fanomezam-boninaihtra an’Andriamanitra ny fiainantsika araka ny tenin’i Paoly Apostoly hoe : Izy anie no homem-boninahitra !!!

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!!! Amen!!!

Eglise Saint-Jean
110 Rue Sainte-Catherine-Est
Montreal, Quebec
H2X 1K7

 Mpitandrina Rina Andriamihaja:  438-439-7594

 Mpitantsoratra: (514) 889-0748

©2023 by FJKM Canada Montréal

bottom of page