Alakamisy 03 Septambra 2026
Jao 11, 25 - 37
Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Teny nataon’i Maria raha nihaona t@ I Jesoa izy eto @ and 32 fa efa nataon’I Marta ihany koa raha nihaona t@ i Jesoa izy eo @ and 21. Inona ary no hevitr’izany teny nataon’izy mirahavavy izany.
Maneho fanomezan-tsiny an’Andriamanitra, and 32
Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Izany teny izany dia maneho ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra. Raha ampahatsiahivina ny tantara dia efa naniraka olona nampandre ny momba ny tsy fahasalaman’I Lazarosy ireo anabaviny (and 3). Tsy avy hatrany anefa dia namaly izany I Jesoa fa mbola nitoetra roa andro teo @ izay nisy Azy izay vao nankany @ Lazarosy (and 6). Koa izay tsy fankanesan’I Jesoa avy hatrany nankany @ Lazarosy fony izy mbola narary izay no antony nilazan’izy mirahavavy hoe: raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko. Tahaka ny milaza hoe: nahoana ianao no tsy tonga hainga ka namaly ny antsonay.
Ry havana, tahaka azy mirahavavy ireto; eo anatrehan’ny toe-java-manahirana rehefa tsy mahazo valiny haingana sy mahafa-po avy @ Andriamanitra isika dia tonga @ fanomezantsiny an’Andriamanitra. Mora @tsika ao anatin’ny zava-tsarotra izay lalovantsika ny manome tsiny an’Andriamanitra, rehefa tsy mifanaraka @ izay andrasantsika ny zava-miseho, rehefa tsy mifanojo @ izay nagatahantsika ny valimbavaka, rehefa tsy @ fotoanantsika ny hisehoan’ny famonjen’Andriamanitra.
Ny tokony ho fantatsika dia izao, tsy tara ary tsy lasa aloha ny famonjen’Andriamanitra fa @ fotoana mety sy antonona. Ny andrasana @tsika dia ny hatoky Azy mba tsy ho alaim-panahy hanome tsiny Azy
Maneho ny fetran’ny finoan’ny olona, and 32
Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Izany teny izany dia mampiharihary fa nino tanteraka ny hery sy ny fahefan'i Jesosy hanasitrana izy mirahavavy. Fantany fa raha teo i Jesosy, dia afaka nanasitrana ny anadahiny ary ho voasakana ny fahafatesana. Saingy, finoana voafetran’ny fotoana sy ny toerana ihany. Tahaka ny milaza izany teny izany hoe: raha nanatrika teo I Jesoa t@ fahavelon’I Lazarosy na dia narary aza izy dia afaka niasa kananasitrana azy. Fa ankehitriny satria efa maty I Lazarosy dia tsy afaka manao na inona na inona intsony na dia eo aza. Manamafy izany ny filazan’I Marta eo @ and 39 hoe: efa maimbo izy izao. Miharihary @ izany ny fetran’ny finoan’izy mirahavavy.
Ry havana, izao soratra masina izao dia mampiharihary fa mino ary manam-pinoana isika anefa finoana voafetra ihany. Mandrakariva tokoa dia miharihary fa voafetra ny finoantsika. Voafetran’ny fotoana ka @ fotoana izay heverintsika fa mety ihany hanerentsika Andriamanitra hiasa. Voafetran’ny toerana ka @ toerana izay mahazatra antsika ihany no heverintsika fa miasa Andriamanitra (ao am-piangonana, toerana masina, …). Ary farany, voafetran’ny toe-javatra: matetika rehefa lehibe ny olana dia kivy sy miraviravy tanana isika ka mihevitra fa tsy afaka hamaha olana Andriamanitra.
Ny marina dia izao, isika no voafetra ka heverintsika ho mitovy @tsika Andriamanitra, hany ka ferantsika ao @ izay fetrantsika koa Izy. Adinontsika fa sady mahay no mahefa fa indrindra manana ny hery sy ny fahefana rehetra Andriamanitra ka tsy misy toe-javatra tsy hainy fehezina.
Ny hafatra dia izao, aza ferana Andriamanitra; fa tsy voafetran’ny fotoana, toerana na toe-javatra Izy; fa Izy no mifehy ny zavatra rehetra.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!!! Amen!!!
