top of page

Alarobia 03 Jona 2026

Sal 89, 5 - 14

Asehon’izao Salamo izao fa tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ary izany no anton’ny fiderana Azy. Inona ary no mampiavaka na maha izy azy an’Andriamanitra no hilazana fa tsy misy tahaka Azy?

Tompon’ny Hery sy ny fahefana rehetra, and 8 – 13

Asehon’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa tsy misy tahaka an’Andriamanitra satria Izy no manana ny hery sy fahefana rehetra ka mifehy izao rehetra izao izay nohariany. Na ny lanitra (and 11a); na ny ety an-tany (and 11b); na ny olona (and 10a = Rahaba); na ny ranomasina izay heverin’ny olona fa manana hery manokana (and 9); na izay mitsangan-ko fahavalo (and 10d). Fa niseho miharihary izay hery sy fahefan’Andriamanitra izany t@ alalan’ny fahariana; izay tao anatin’ny fahafoanana sy ny aizina anefa tonga fahatsarana sy hanjakan’ny fahazavana (and 12).
Ry havana, tsy misy tahaka an’Andriamanitra fa Izy no manana ny hery sy ny fahefana rehetra, Izy no mifehy izao rehetra izao izay nohariany. Ary izany hery sy fahefana ananany izany no anton’ny fiderana Azy. Hoy indrindra I Paoly Apostoly hoe: Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
Ny hafatra ho antsika dia izao: matokia ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra, fa tsy misy tahaka Azy. Asehoy @ fiderana Azy izany fatokiana izany. Torio, ambarao @ alalan’ny fiainantsika fa mahery ny Andriamanitra izay tompointsika. Andeha hanao tahaka ny mpanao Salamo manao hoe: Ny famindrampon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.

Marina, and 14

Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
Voambolana 03 no tsara hazavaina eto. 1) dia ny Rariny: izay midika hoe: mahitsy, tsy tia ny ratsy sy ny faharatsiana. 2) dia ny hoe: Fitsarana: izay manana hevitra hoe: tsy mitanila, marina, mitsara ny ota. 3) dia ny hoe: famindrampo, izay midika fa miantra, vonon-kamela heloka, tsy manasazy avy hatrany fa indrindra mikendry ny famonjena mandrakariva Andriamanitra. Raha ambara tsotra dia izao no heviny hoe: tsy tia ny ratsy Andriamanitra anefa kosa vonona ny hamela heloka rehefa miala @ faharatsiany ny olona. Ary izany no maneho ny fahamarinan’Andriamanitra. Izany no hilazana fa tsy misy tahaka Azy.
Ry havana, tsy misy tahaka an’Andriamanitra, Izy irery ihany no marina. Manamafy izany ny Isa 45, 21 hoe: Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Hoy koa ny fampianaran’I Paoly Apostoly ao @ Rom 3, 10 hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza.
Tombony ho antsika ny fahafantarana izany; ary tsy ny fahafantarana ihany; fa tombony ho antsika ny manompo io Andriamanitra marina io. Isika izay mora manao ratsy, isika izay mandrakariva manota eo anatrehany, anefa afaka manantena ny famindrampony; rehefa miverina sy mibebaka marina Aminy. Fantaro fa nasehon’Andriamanitra t@ alalan’I Jesoa Kristy izany fahamarinany izany; izay nanamarinany antsika @ alalany. Koa raha mbola mahatsiaro isika fa namindran’Andriamanitra fo, aza mitsahatra ihany koa midera Azy. Fa tsy misy tahaka Azy izay maharitra mamindra fo @tsika satria mandrakizay ny famindrampony.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!!! Amen!!!

Eglise Saint-Jean
110 Rue Sainte-Catherine-Est
Montreal, Quebec
H2X 1K7

 Mpitandrina Rina Andriamihaja:  438-439-7594

 Mpitantsoratra: (514) 889-0748

©2023 by FJKM Canada Montréal

bottom of page