Talata 02 Jona 2026
Asa 1, 1 - 11
Maneho ny fampanantenan’I Jesoa ny Fanahy masina t@ ireo mpianatra.
Fantatsika loatra fa ao @ filazantsara araka ny Jaona 14 sy 16 I Jesoa no efa nilaza ny momba asan’ny Fanahy masina sy mampanantena ny fiavian’ny Fanahy masina t@ ireo mpianatra. Eto @ ity Asa 1, 1ss ity no hamerenany izany indray mialohan’ny hiakarany any an-danitra.
Ity perikopa ity dia maneho @tsika foto-kevidehibe mikasika ny handraisana ny Fanahy masina izay nampanantenain’I Jesoa.
Ny hevi-dehibe asongadin’izao soratra masina izao dia ny hoe:
Olona izay efa nandre ary mankatoa ny tenin’Andriamanitra no hampanantenaina ny Fanahy masina.
Fantatsika tsara, araka ny ambaran’ireo filazantsara fa 03 taona no niarahan’ireo mpianatra t@ I Jesoa. Nanaraka ary nandray ny fampianaran’I Jesoa izy ireo. Ireny fampianaran’I Jesoa ireny dia tsy inona fa tenin’Andriamanitra izay norenesin’izy ireo sy nankatoaviny. Hitantsika ireo tantara maneho ny fihainoan’izy ireo sy ny fampiharany ny tenin’I Jesoa. Mazava tsara araka izany fa nihaino, nandray ary nankatoa ny tenin’Andriamanitra izy ireo vao nampanantenaina ny Fanahy masina.
Izany hoe, ny fandraisana ny tenin’Andriamanitra @ alalan’ny fandrenesana, fihainoana, fankatoavana no antoky ny handraisana ny Fanahy masina. Azo ambara koa hoe: tsy maintsy mandray ny tenin’Andriamanitra aloha vao afaka mandray ny Fanahy masina.
Manaporofo izany ny tantaran’ireo olona rehetra izay nomen’Andriamanitra ny Fanahiny ao @ soratra masina. Nandre ny tenin’Andriamanitra t@ alalan’ny antson’Andriamanitra izay vao nomena ny Fanahy.
Toy izany I Mosesy, ny tenin’Andriamanitra no henony sy noraisina (Eks 3, 1ss) izay vao nomena ny Fanahy izy (Nom 11, 17/25). Toy izany I Gideona, nandre ny tenin’Andriamanitra (Mpit 6, 12) izay vao nomena ny Fanahy (Mpit 6, 34). Toy izany I Ezekiela; nandre ny tenin’I Jehovah (Eze 1, 3) izay vao nomena ny Fanahy (Eze 2, 2). Toy izany I Paoly Apostoly naheno ny tenin’I Jesoa (Asa 9, 4) izay vao nomena ny Fanahy masina (Asa 9, 17).
Ny hafatra ho antsika dia izao, tsy miasa ao @ olona izay tsy manana ny tenin’Andriamanitra ny Fanahy masina. Ary manaporofo izany, ireo fomba tanterahan’ny fiangonana izay hanehoana ny handraisana ny Fanahy masina. Ny Batisa dia fomba handraisana ny Fanahy masina: tsarovy fa manao dinika mialoha, mianatra ny sitrapon’Andriamanitra ireo raiamandreny izay vao atao batisa ny zaza. Toy izany koa, ny fanokanana ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, diakona, mpiandry, mpitoriteny, mpitandrina izay hanehoana ny handraisana ny Fanahy masina dia tsy maintsy hialohavan’ny fampianarana (herintaona hoan’ny katekomena, 02 taona hoan’ny mpiandry sy mpitoriteny, 3 volana hoan’ny diakona, …). Toy izany koa ny asa fampaherezana izay ny fametrahan-tanana no fomba handraisana ny Fanahy masina dia tsy maintsy hialoavan’ny tenin’Andriamanitra.
Ireo rehetra ireo dia maneho fa ny olona izay nandre ary mankatoa ny tenin’Andriamanitra no hampanantenaina ny Fanahy masina. Koa raha tiantsika ny ho feno ny Fanahy dia izao, mila feno tenin’Andriamanitra aloha isika, tsy hoe mahay tsianjery fa tia sy mitandrina ary miaina ny tenin’Andriamanitra. Raha izany, dia handray ary ho feno ny Fanahy masina izya nampanantenaina isika.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !!! Amen !!!
