top of page

Alatsinainy 01 Jona 2026

2 Tan 20, 1 - 12

Maneho ny fivavak’I Josafata noho ny ady hatrehiny satria tonga hanafika azy ny firenen’I Moaba sy Amona.
Rehefa mivavaka dia:

Mankanesa ao antranon’Andriamanitra, and 5

Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao.
Asongadin’izao soratra masina izao fa raha nivavaka I Josafata Mpanjaka manoloana ny loza mitatao teo @ fanjakany; noho ny @ Moabita sy ny Amonita izay ho avy hiady @ izy ireo; dia aseho fa tsy tao an-dapany izy no nivavaka; fa nanatona an’Andriamanitra, nankao @ tranon’ Andriamanitra. Izany no hilazana eto hoe: ary Josafata nitsangana teo @ fiangonan’ny Joda sy Jerosalema, tao @ tranon’I Jehovah. Araka izany, maneho ny maha zava-dehibe ny ny fivavahana atao ao @ tranon’ Andriamanitra izao soratra masina izao.
Ry Havana, ny hafatra ho antsika anio dia izao manao hoe: rehefa mivavaka dia mankanesa ao antranon’ Andriamanitra. Tsy sanatria akory milaza izao soratra masina izao hoe: tsy mety ny mivavaka any an-trano na any @ toerana hafa. Fa izao, manasongadina kosa fa tena zava-dehibe ny fanatonana ny tranon’ Andriamanitra na ny Fiangonana rehefa mivavaka. Zava-dehibe noho ireto antony 02 ireto. 1) mampiombona ny fivavahana ao @ tranon’ Andriamanitra. Hitantsika eto fa ny olona rehetra tao @ firenena no voataonan’I Josafata hiaraka hivavaka; izany no hilazana eto hoe: Josafata nitsangana teo @ fiangonan’ny Joda sy Jerosalema. 2) ao antranon’ Andriamanitra no handrenesana ny sitrapon’ Andriamanitra izay tokony renesina mialohan’ny hivavahana. Jereo tsara ny tantara eto fa rehefa nivavaka Josafata dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana i Jahaziela, ka nanao hœ: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny
@ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra (and15).
Ny tiana ambara dia izao, tsy afa-misaraka @ vavaka ny fihainoana ny sitrapon’ Andriamanitra. Aiza no hanambarana sy hitoriana ary hampahafantarana antsika ny sitrapon’ Andriamanitra? Valiny ao an-tranon’ Andriamanitra; ao am-piangonana. Tsy sanatria tsy mety na diso ny mivavaka sy mamaky soratra masina any antrano fa tsy ampy. Tsy ampy satria rehefa mamaky soratra masina isika dia mety tsy ho takantsika ny sitrapon’ Andriamanitra fonosiny raha tsy misy manazava. Asan’ny Fiangonana, ny manambara sy manazava ary mampianatra ny sitrapon’ Andriamanitra @tsika. Izany no maneho fa zava-dehibe ny fanatonana ny tranon’ Andriamanitra rehefa mivavaka.

Aza ny fangatahana no atao ho zava-dehibe, and 6 - 9

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia maneho fa tsy hataka no naha maika an’i Josafata raha nivavaka izy. Zavatra 3 no asongadina @ vavaka nataon’I Josafata eto. 1) filazany ny fahalehibiazan’ Andriamanitra izay ambarany fa manana ny hery sy ny fahefana rehetra, eo @ and 6. 2) filazany ny asam-pamonjena efa nataon’ Andriamanitra izay nandresy ny fahavalon’ny vahoakany, eo @ and 7. 3) dia famerenany ireo teny fampanantenana nomen’ Andriamanitra ny razany, izay valim-bavaka nataon’i Jehovah t@ i Solomona mpanjaka araka ny 1 Mpa 9, eo @ and 9.
Raha fintinina dia izao: raha nivavaka I Josafata mpanjaka dia tsy ny fangatahana no nataony ho zava-dehibe fa ny filazana ny herin’ Andriamanitra sy izay efa nataon’ Andriamanitra ary izay mbola ho ataon’ Andriamanitra hoan’ny vahoakany no notanisainy.
Ry Havana, izao soratra masina izao dia mampianatra antsika ny atao hoe: Vavaka. Tsy sanatria tsy mahay mivavaka isika, satria ny vavaka rehetra dia tsara avokoa; fa izao kosa mampianatra antsika ny tokony ho votoatin’ny vavaka ataontsika izao soratra masina izao.
Mazàna rehefa mivavaka isika dia ny fangatahana no betsaka; ary ny hangataka mihitsy no manosika antsika hivavaka. Henoy tsara anie rehefa mivavaka isika e, fa ny fangatahana no betsaka @ tonom-bavaka ataontsika. Hita taratra izany eo @ fiainantsika Fiangonana, na dia @ alalan’ny litorjia tanterahantsika isan’alahady io aza. Efa voalahatra mazava ny hoe: vavaka fiderana, vavaka fifonana, vavaka fangatahana ny fitsilovan’ny Fanahy masina, fa izao: ao anatin’ireny dia mihazakazaka mangataka @ Andriamanitra hatrany isika.
Anio dia mampianatra antsika izao soratra masina izao, fa ny tokony ho votoatin’ny vavaka ataontsika dia ny filazantsika ny fahalehibiazan’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra fa tsy ny filazana ny halehiben’ny olana lalovantsika. Anio dia mampianatra antsika izao soratra masina izao ny ahatsiahy ireo asam-pamonjena izay efa nataon’ Andriamanitra teo @ fiainantsika fa tsy ny hitaraina ny @ izay manjo antsika. Anio dia mampianatra antsika izao soratra masina izao, tsy hangataka mandrakariva @ Andriamanitra mba hanaovany zavatra eo @ fiainantsika fa ny hamerina izay efa nampanantenainy mba ho tanterahany eo @ fiainantsika.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!!! Amen!!!

Eglise Saint-Jean
110 Rue Sainte-Catherine-Est
Montreal, Quebec
H2X 1K7

 Mpitandrina Rina Andriamihaja:  438-439-7594

 Mpitantsoratra: (514) 889-0748

©2023 by FJKM Canada Montréal

bottom of page